Politique

Pr James Ratsima “Tsy maninona raha ny filazana ny marina no hahafaty..”


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Naneho ny heviny mikasika ny fitorian’ny primatiora azy fito mianadahy mitaky ny fahamarinana mikasika ny fifidianana omaly ny profesora James Ratsima, filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko.

 

 

 Nambarany fa eo amin’ny primatiora sy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena izay tompon’ny filaminana mihitsy no misy disadisa. Raha ny filazana fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena no antony hitoriana sy hisamborana anay dia inona marina no hatao hoe : fiandrianam-pirenena ? Ny filazana ny marina ho fanta-bahoaka ve ? Raha izay no izy dia tsy maninona raha ny filazana ny marina no hahafaty ho an’ny tanindrazana. Tokony ho fantatry ny fitondram-panjakana anefa fa ny fanaovany izany no mety hitarika korontana eto amin’ny firenena satria samy manana ny olona ny an-daniny sy an-kilany. Ankoatra izay, tsy ho mandrakizay no hahafahan’izy ireo mibaiko ny miaramila fa hisy fetrany ihany. Miantso ny rehetra ho tony sy hanam-pahendrena, araka izany, ity profesora ity satria ny marina no tadiavintsika eto amin’ny firenena. Naveriny indray moa omaly fa tsy maintsy ho avy ilay mazava hiposaka eto amin’ny firenena ary tsy azon’iza na iza sakanana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT