Tsy hanaiky ny profesora James Ratsima mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hamoaka ny marina rehetra mikasika ny hala-bato niseho nandritra ny fifidianana fihodinana faharoa mba tena hisehoan’ny marina.
Hamoaka vaovao mahakasika izany indray ny tenany anio alakamisy izay nambarany manokana fa tokony ho nahazoan’ny kandida laharana faha-25 elanelam-bato hatrany amin’ny 113.000 isa raha oharina amin’ny mpifaninana aminy nefa dia nodian’ny sasany tsy fantatra akory. Tsy izay ihany, hoy ity filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko ity fa mbola betsaka ireo marina tokony haseho ka vonona ny hijoro amin’izany ny tenany. Notsiahiviny manokana fa tamin’iny datin’ny 19 desambra nanatanterahana ny fihodinana faharoa iny dia tapaka ny jiro tao Toliara nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 11 ora alina tany ho any izay tsy noresahana mihitsy nefa tena zava-nisy niainan’ny mponina. Miantso ny olona rehetra tsy hangina manoloana ny fanaovana tsinontsinona ny fahamarinana ity profesora ity ka ho samy ho sahy hijoro ho vavolombelona haneho izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.