Mangataka ny hanaovan’ny Fanjakana dinika nasionaly ho fanarenana ny toekarem-pirenena ny Cram na ny (Cercle de réflexion pour l’avenir de Madagascar).
Tsy mazava, hoy Atoa Joel Harison Marie René, filohan’ity firehana ity ny politikan’ny fanjakana entina hitondrana ny toekarena eto Madagasikara. Amin’ny fahitan’izy ireo dia toa mampihatra tsikelikely ny antsoina hoe « Bot » na Build Operate and Transfer, izany hoe manangana dia avy eo mamindra fitantanana ny mpitondra malagasy. Toa amin’ny ampahany ihany anefa izany, hoy ny fanambarana. Mety endrika ivelany fotsiny ny tolo-bidy fa efa misy mpandraharaha vahiny tiana homena ny orinasa malagasy dia avy eo ifampizarana amin’ny mpitondra ny tombony. Raisin’ny Cram ohatra ny fomba fitantanana ny harena ankibon’ny tany, ny banky rehetra eto Madagasikara, ny Jirama, ny Air Madagascar ny Adema ... Ny fananganana toekarena tsy miankin-doha no voalazan’ny mpahay toekarena malagasy fa vahaolana amin’ny fanarenana ny firenena. Ny mifanohitra amin’izay anefa no miseho ankehitriny, hoy hatrany ny Cram.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.