Efa misy drafitra vita mialoha tany amin’ny fanjanahantany momba ny fitantanana an’i Madagasikara, ary misy sojakin’olona efa natokana hanao an’io araka ny fifanarahana miafina tany aloha tany.
Misy ireo fianakaviana sokajiana hoe lehibe na taranaky ny mpanjaka na koa akaiky ny mpanjanatany. Saika efa novolavolain’ny Frantsay hatrany izy ireo sy ny taranany. Tafiditra na hampidirina ao anaty rafitra hatrany ireo sokajin’olona ireo, ka na iza na iza mitondra eto amin’ny firenena nanomboka ny taona 1960, dia tsy maintsy ao ireo hahafahana mifehy ny fanjakana sy ny fitondrana sy hiaro ny tombontsoan’ny mpanjanaka. Natao izay hampiady ny Malagasy hatramin’izay, ary mbola hita taratra hatramin’izao na tsy mibaribary aza ny resaka afovoan-tany sy ny avy any amin’ny sisiny. Samy misy nampianarina sy nobeazin’ny mpanjaka, ka ao ny novolavolaina handova fahefana sy hiaro ny tombontsoany eto. Ao ihany koa ny nampianarina ihany fa natao hankahala ny Malagasy mitovy aminy. Saika efa homanina sy volavolaina avokoa izay hitondra an’i Madagasikara, ka izay mpitondra na filoha tsy ao anaty lisitra, dia voakorontana, ka voalohany i Marc Ravalomanana, izay tena niavaka, ary niezaka nandrava ny rafitra politika efa napetraka fahagola, saingy voaongana izy. Mbola mila miady isika ary mila diplomasia matanjaka sy mpiara-miombon’antoko mafy sy vahoaka miray hina isika, vao afa-bela amin’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.