Politique

Politikam-panjakana Mampitombo ny fahantran’ny Malagasy


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Mibahana loatra ny resaka politika politisianina amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny.

 

 Tsy mihevitra afa-tsy ny famahana ny olana ara-politika hipetrahana eo amin’ny toerany hatramin’ny taona 2018 ireo mpitondra manampahefana isan-tsokajiny, hoy ny Vondron’Olon-Tsotra. Nataon’ireo olom-panjakana mitondra ny firenena ambanin-javatra mba tsy ilazana fa tsy ao anatin’ny fandaharanasa laharam-pahamehana mihitsy ny lafiny toekarena eto Madagasikara izay mifandringotra betsaka amin’ny sosialim-bahoaka. Lehibe indrindra amin’ireo Nosy eto amin’ny Ranomasimbe Indianina i Madagasikara saingy ny vahoakany no mahantra indrindra. Mampiavaka an’i Maorisy, Seisela na koa ireo nosy rahavavy manodidina ny fanomezan’ireo mpitondra ao aminy lanja manokana ny tohana sy fanampiana ireo mponina ao aminy. Mampisongadina ny mpitondra fanjakana Malagasy kosa ny mifanohitra amin’izay amin’ny fampitomboana ny fahantran’ny Malagasy ka ireo teratany vahiny indray no tambatambazana sy homena laka.

Anjorom-bala

Efa vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena, ohatra, ankehitriny ny orinasa Tiko izay afaka mamelona tantsaha mpamboly sy mpiompy maromaro ihany. Efa dodona rahateo ireto farany, araka ny fanadihadiana nataon’ny VOT teny ifotony. Toa miezaka hatrany anefa ny ekipan’ny fitondrana mijoro ankehitriny mampitarazoka sy manakana amin’ny fomba ankolaka ny fanokafana ity orinasa anisan’ny reharehan’ny vahoaka Malagasy ity. Manjaka tokana sy mivalampatra amin’ny fandraharahana eto Madagasikara tanteraka ireo mpampiasa vola vahiny saingy tsy hita hatreto ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny harinkarenan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tena anjorom-bala araka ny fomba fiteny tokoa ny mpandraharaha Malagasy, hoy ny filohan’ny fikambanana Ravaonirina Zoé Sarah.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT