Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.
Fisintahana efa nankatoavin’ny vahoaka Anglisy tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka anefa ary tokony hotontosaina amin’ny 29 martsa 2019. Kepoka ny praiminisitra Theresa May, henjana ny fifamaliana tao amin’ny parlemanta. Ao Frantsa indray, niroso tamin’ny fifampiresahana faobe ny filoha Macron mba hikaroham-bahaolana amin’ny zava-misy any Frantsa, olana ara-tsosialy, lasa olana ara-toekarena ary nampisavorovoro ny tontolo politika. Tsy sasatry ny manendry mpiara-miasa vaovao kosa ny filoha Donald Trump any Etazonia. Hiova indray ny minisitry ny fitsarana. Ny fikatsoan’ny raharaham-panjakana mbola eo ihany, tsy manaiky anefa ny lehilahy fa tsy maintsy haorina ilay rindrim-by goavana eny amin’ny sisin-tanin’i Meksika mba hanakanana ny fifindra-monina gaboraraka. Tany Nairobi Kenya dia namono olona indray ny Silamo mahery fihetsika, 14 no maty, olona efa ho 700 tamina hotely maro samihafa no voatery nafindra toerana. Aty Afrika ihany, manomboka mafana ny adihevitra any Cote d’Ivoire taorian’ilay namotsoran’ny fitsarana iraisam-pirenena ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, ao ny milaza fa mety tsara ary rariny sy hitsiny izany. Misy koa ny maminavina fa hitarika korontana indray io. Ny ao amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo dia tsy mbola fantatra ny ho filoham-pirenena taorian’ilay fifidianana farany teo. Efa miditra an-tsehatra ny iraisam-pirenena. Ny any Italia sy Espagne, Malte mbola manahiran-tsaina ireo mpitondra ny fibosesehan’ireo mpifindra monina avy aty Afrika. Tena miaina ao anaty korontana izao tontolo izao, mifandipatra ao avokoa ny resaka sosialy, toekarena, politika, diplomasia, hatramin’ny finoana. Tsy misy firenena ka afaka mirehareha fa mahavita tena irery. Mifampiankina ny zava-drehetra ary arakaraka ny faharanitan-tsain’ireo mpitondra sy ny fahakingany mikaroka vahaolana no mahatafavoaka na maha rendrika ny firenena iray. Tena ilaina ny fiaraha-miasa, saingy tsy azo ekena ny fanambakana, ary tena vidiana lafo ny fanapahan-kevitra diso na tsy araka ny zava-misy marina. Mora kokoa ny mamaha olana rehefa mifandray tsara sy mifampatoky ny mpitondra sy ny vahoaka, raha tsy izany dia savorovoro … Ary mba ahoana isika eto Madagasikara ao anatin’izany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.