Nikoropaka sy may volon-tratra avy hatrany ny ao an-dapa sy ireo manodidina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ahiana hafana ny fifandonana eo amin`ny fitondrana sy ny mpanohitra raha amin`izao fivoaran-draharaha izao.
Mihazakazaka ny haka ny fon`ny vahoaka ny antoko HVM anio ary hampiseho ny heriny amin`ny depiote ho an`ny fanovana etsy amin`ny Coliseum Antsonjobe. Tsikaritra tato ho ato fa manomboka mandranitra ady amin`izay ny olon`ny HVM. Ohatra, nandritra ny famelabelarana arahina adihevitra momba an’ilay vina IEM nataon’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina tetsy amin`ny Hotely Carlton, dia nisy andian`olona maro nilanja sorabaventy manoloana ity hotely ity. Nilaza izy ireo fa tsy mankasitraka ny fanakorontanana misy eto amin'ny firenena satria fantatr'izy ireo fa ao anaty efitrano ao ny lehiben'ny fanakorontanana eto amin`ny firenena. Ohatra ny lasa kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena ary hita fa vonjitavanandro ity fitondrana ity fa tsy misy zavatra maty paika. Raha ny lojika, rehefa tapin-dalan-kaleha toy izao dia na mitady vahaolana matotra na milavo lefona. Ity fitondrana ity anefa tsy mba manana ny maha izy azy noho izy ireo tsy mahafehy ny fiainam-pirenena. Rariny raha mangataka ny fialan’ingahy Rajao tsy misy hatak’andro ny olona satria tena tsy mendrika ho filoham-pirenena intsony. Very fihinanana kosa ireo mpomba an`ny HVM ka manao izay fomba rehetra hijanonany eo amin`ny fitondrana. Vola sy fampiasana hery izany sisa fa resabe fotsiny ny hiresaka sy hanao dinan’ny fandraisana andraikitra hataon`ny HVM. Hotsarain`ny tantara anio izay tena mahery amin`ny depiote 73 sy ny depioten’ny HVM.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.