Nanoratra boky maromaro mitantara ny fanadihadiana nataony tamina firenena maro taty Afrika ny profesora mpahay toekarena sinoa Melhang Chang, izay nandinika ny politikan’i Frantsa amin’ireo tany Afrikanina, izay tsy mampandroso.
Ny mpitondra rehetra dia tena jamba manoloana ny fahoriana iainan’ny vahoakany ary tsy misy fanantenana intsony, hoy izy. Ny tena loza dia manana zom-pirenena miisa roa izy ireo, dia ny frantsay sy ny azy. Ny filohany dia mandeha mametraka ny vola sy maka volam-panjanahana tsy mahasoa. Ireo heverina ho manampahaizana, dia karazan’ny mpanaraka baiko sy soavalin’ny frantsay. Hireharehana fatratra ny diploma azo tao Sorbonne heverina ho amboara kanefa hosoka izay tsy mamokatra harena, ary ny fahazoana ny diplaoma “agregation en littérature Française” ohatra, dia ambarany fa tsy hampiova mihitsy ny fahoriana sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza Togoley, zara raha misakafo, tsy misy na inona na inona ao an-dohany. Izany no afitsok’ireo heverina ho manampahaizana sy olona mamiratra manimba ary tsy ho afaka amin’ny lavaka mangitsokitsoka mihitsy ny fireneny. Manamafy izy fa tsy mahasoa ny volan’ny mpanjanatany. Ny tambiny alain’i Frantsa, dia tsy maintsy mametraka ny 50%-n’ny tahirim-bolany any amin’ny tahirimbolam-panjakana frantsay ireo banky. Ny 50%-n’ny fananana any ivelan’ny firenena, dia apetraka isan-taona any amin’ny banky any ivelany. Tsy hanana fahalalahana hisitraka sy tena hikirakira vola ny vahoaka ao amin’ilay firenena Afrikanina. Alefa any Frantsa ny vola mba homena ireo tsy an’asa Frantsay, ireo manan-kilema,… ka amin’ny fomba ahoana ny handrosoana amin’izany ? Mahatratra 14 miliara dolara isan-taona ny tahiry any ivelan’ireo firenena, izany hoe ny Afrikanina no mamatsy ny ampaham-bola ho an’ny tetibolan’ny Frantsay, hoy i Melhang Chang. Raha handray ho ohatra an’i Madagasikara isika, dia tsy takona afenina, firifiry amin’ny mpanao politika, eny fa amin’ireo kandida filoha no mitady vola sy vatsian’ny Frantsay ? Giazany ny vola mipetraka any ivelany rehefa tsy manaraka ny baikony. Potehiny ny mpitondra Afrikanina mitady hanelingelina azy, toa an’i Kolonely Khadafi tany Lybie, izay saika hiara-kiketrika tamina filoha vitsivitsy taty Afrika hanangana Bankin’i Afrika. I Marc Ravalomanana teto Madagasikara niongana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.