Politique

Politika malagasy Mizotra amin’ny fivoizana olom-baovao foana


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Olom-baovao ny filoham-pirenena Didier Ratsiraka tamin’ny taona 1975. Toy izany koa ny Profesora Zafy Albert ny taona 1991. Marc Ravalomanana tamin’ny 2002.

Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Io tsy mahafa-po ankehitriny io koa anefa ny hery vaovao ho an’i Madagasikara na ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina. Manoloana izany rehetra izany dia manomboka misoko miadana eo amin’ny sehatra politika hatrany ny olona hafa izay azo antoka fa hilaza azy ho vaovao indray ny ankamaroany. Tsy hipetra-potsiny izahay olom-pirenena, hoy ry Faniry Ernaivo, ry Ndranto Razakamanarina sy ny tariny ny alahady teo manoloana ny ataon’ny mpanao politika eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Efa manana tetikady koa, hoy izy ireo, ry zareo. Toa mandindona sahady fa tsy ho ela koa ireto « vondron’ny olompirenena » ireto dia hampahafantatra izay olom-baovaony izay satria hoe tsy mahavita azy ny mpanao politika fa mitady ny tombontsoan’izy ireo manokana foana. Hita ho misoko miadana eo amin’ny sehatry ny politika malagasy hatrany, araka izany, ireo olom-baovao ary mbola mizotra amin’ny fivoizana izay olom-baovao izay foana aloha ny politika eto fa resaka fotsiny ny hoe rafitra no mila ovana.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT