Tsy finoanoam-poana fa tena mitombina tokoa ny voalazan’ny Baiboly amin’izao fotoana, raha hampifandraisina amin’ny tontolo politika sy ny fiainam-piarahamonina Malagasy ankehitriny.
Rehefa ny demonia no mitondra sy mandrisika dia misy ireto zavatra ireto foana matetika miseho. Ny faty olona : mba hanoherana ny didy hoe aza mamono olona, mba hanaovana sorona hiakarana avoavo, ary koa mba hampaloto ny lalao satria ny faty dia maloto raha ny Soratra masina no jerena. Ny lainga : mba entina hamitahana ny olona, hanoherana ny didy hoe aza mandainga, mba hamadihana ny marina ho diso ary hanamarinana ny diso sy meloka. Ny fanompoan-tsampy : mba hanoherana ny Avo Indrindra, hitaritana ny olona hivily tsy hanaraka ny Avo Indrindra, mba hahazoana ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao ity. I Mamona na ny vola no sampy lehibe hampanompoana ny olona amin'izao fotoana izao, indrindra fa mandritra ny propagandy. Ny Fanandratan-tena : mba tsy hananan'ny olona mitarika na tarihina fanetren-tena, ka tsy hanekeny ny fahadisoany fa mitady ny hevitra rehetra hanamarinan-tena, mba hanoherana ny Soratra masina milaza fa aza manandra-tena, mahaiza manetry tena ary aza manamarin-tena. Ny vokatr’izany rehetra izany dia, loza, ozona, fahavoazana, fahaverezana, ka mila fifohazam-panahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.