Efa hita soritra sahady ny politika avo lenta fa misy ao ambadiky ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika. Misy olona hita hoe miara-miasa na mifandray amina kandida vitsivitsy, toa an’i Zazah Ramandimbiarison, izay hita niaraka tamin’i José Vianey,
Jules Etienne tamin’ny fanambaran’izy ireo ho kandida, saingy izao indray izy miaraka amin’i Jean Ravelonarivo, ary talen’ny fampielezan-kevitra mihitsy. Efa praiminisitra lefitra tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana, ary tena nanana ny toerany mihitsy satria nantsoina hoe “supeur minisitre” tamin’izany, ary voalaza ho olona natokisan’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola ary nampiasainy hatrany. Amin’ny politika sy ny fitantana ny firenena toa an’i Madagasikara rahateo, dia matetika mila olona tena atokisany ankoatra izay mety ho filoha eo ny mpamatsy vola. I Marc Ravalomanana no tsikaritra ho somary nandrava izay elanelana izay tamin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra mivantana, saingy nampiasa ireo heverina ho olona afaka mbola hanampy bebe kokoa amin’izany. Ny iraisam-pirenena ve no maniraka an’Atoa Zazah Ramandimbiarison ? Mbola te hilalao ilay hoe olon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola ve izy ary hampiasaina hanao “sondage” ireo kandida? Niara-niasa tamin’i Andry Rajoelina anefa ny tenany tamin’ny tetezamita ny 2009, ary niaraha-nahita ny zava-nisy fa tsy naharesy lahatra ny iraisam-pirenena ny diplomasian’ny HAT, ary voasazy ny firenena Malagasy tamin’izay. Notsipahin’ny HAT nesorina tsy ho izy ny taona 2011, izay nesorina tsy ho tale Kabinetran’ny fiadidian’ny tetezamita. Tsy dia heno intsony, ary taty amin’ny 2018 vao tazana niaraka tamina kandida ho filoha vitsivitsy ka tsy hay na fihetsiny sy safidiny manokana izao na misy iraka ampanaovina azy. Na koa hoe mety hanao toy ny tamin’ny 2013 hanolotra kandida iray ireo olona toa efa niarahany, dia ny kandida tohanany ankehitriny izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.