Politique

PNJ sy antoko MARINA Nanambatra ny heriny


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Nambara ofisialy tamin’ny lanonana tsotra notanterahina teny Ambatomirahavavy ny fampitambaran’ny fikambanana PNJ na ny vovonana nasionalin’ny tanora tarihan’ny filohany Ranaivoson Désiré sy ny antoko politika MARINA tarihan’Atoa Fanjava Refeno izay ao anatin’ny tsy fahasalamana ka nosoloin’ny filoha mpisolo toerana vonjimaika omaly tamin’ny lanonana natao izay tsy iza fa Atoa Mananjara Arthur.

 

 Naharesy lahatra ny roa tonta ka nahatonga ny fampitambara izao, hoy Atoa mpandrindra nasionaly , ny fitovitovian’ny fomba fijery dia ny fanomezan-kasina ny fokonolona, ny famelomana ny fitiava-tanindrazana eo amin’ny Malagasy ary ny fanomezan-kasina ihany koa ireo tanora izay hofaninana mba ho mpandimby eto amin’ny firenena  ka ny tanjona dia hoe : ahoana ny hampandrosoana an’i Madagasikara fa misy olona marobe mety tsy dia miteny mandefindefitra manerana an’i Madagasikara nefa mety ahavita zavatra. Marihina fa vao teraka tamin’ny volana martsa 2015 ny Marina ary efa tamin’ny taona 2009 ny Pnj. Efa vita sedra tanteraka kosa anefa ny fiarahana, hoy Atoa Désiré, satria efa nisy 10 volana izay no niarahana niasa ary efa azo notsapain-tanana ny vokatra azo satria efa nahatafiditra ben’ny tanàna 13 izahay roa tonta tamin’ny fifidianana farany teo (tany Analanjirofo, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Menabe, Anosy, Androy, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra ary Analamanga). Marina fa matoa manao politika dia hitondra ny foto-kevitra sy fomba fiasa anao manokana, hoy izy,  nefa tsy mbola azo hiezakezahana izany toerana senatera izany fa ny himasoana aloha dia ny hoe : ahoana ny hamondronana ny hery hanamasaka ilay fotokevitra hijoroana eo amin’ny tanjona lavitr’ezaka. Tanjona fohy ezaka kosa anefa ny hanabevoho ny fikambanana manerana ny Faritra mandritra ny 1 taona.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT