Fanamby vaovao noraisin’ny fitondram-panjakana ny fametrahana ny Paikady Natao Dinasa (PND) izay tontosa teny amin’ny trano fivoriana teny Ivato nandritra ny herinandro. Tsy misy ny fahagagana, hoy ny Jeneraly Jean Ravelonarivo praiminisitra lehiben’ny governemanta nandritra ny lahateniny omaly.
Be ny asa miandry
Asa tokony ho natao dimy taona lasa izao tontosa izao, hoy ny tompon-tranon’i Mahazoarivo mba hamerenana ny fitokisan’ny mpamatsy vola nisintaka an’i Madagasikara ny mpamatsy vola ny volana jona 2010 ka tamin’ny taon-dasa vao niverina indray. Nitentina 577 tapitrisa euros sy 11,7 tapitrisa euros ny vola very tamin’izany. Natao ity PND ity mba hanatanterahana ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny jeneraly Jean Ravelonarivo ka mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka ny vokany. Tsy ho indray vita ao anatin’ny fotoana fohy avokoa anefa ny ezaka rehetra fa ny tena maika dia ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena, ny mba hampandriana fahalemana tokoa ny tany sy ny hiverenan’ny fitsarana azo itokisana, ny fahafahan’ny tsirairay mitsabo tena sy hahazo fanabeazana sahaza ary miaina ao anatin’ny fahampiana ara-tsakafo. Tsy misy ny ariary zato am-pandriana fa nampanantena kosa ny hitondra fanovana eo amin’ny fomba fitantanana ny praiminisitra izay mbola hanana herinandro handinihana tsara ny vokatr’ity dinika ity mba hanatanterahana tokoa ilay Paritra Malagasy zary Ohabolana na PMO.
Nitsefotra
Tazana ho vitsy ny nanatrika ny lanonam-pamaranana ny atrikasa PND teny amin’ny CCI Ivato omaly, tsy dia nahoraka, tsy dia nahaliana ny olona ihany koa ny fisian’ilay izy fa saron’ny vaovao politika hafa, tsapa ihany koa fa mbola tsy tena resy lahatra amin’ity fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ity ireo mpamatsy vola antsika, kanefa tena miankina betsaka amin’izy ireo ny fanatanterahana ny asa rehetra ao.Mampanahy noho izany fa mety nijanona ho kabary fotsiny indray ity Paikady Natao Dinasa ity .
Légende: Vitsy ireo nanatrika ny lanonam-pamaranana ny atrikasan’ny PND teny Ivato (Légende: Rakotobe Michel)
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.