Politique

PND Fandaharanasa tsy misy vola.


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Teboka dimy no nasongadin’ny Filohan’ny Repoblika omaly nandritra ny fanokafana ny atrikasa momba ny fametrahana rafitra hampiharana ny politika nasionaly momba ny fampandrosoana, dia ny fahavononana politika sy fahaiza-mitantana,Vina sy sori-dalana stratejika voafaritra mazava tsara, Drafitra sy fandaharan’asam-pirenena voarafitra tsara, Fitaovana sy fomba fiasa mifanaraka amin’ny zava-misy ary Vokatra azo tsapain-tanana.

 

Haharitra hatramin’ny alahady 12 aprily izy io. Mba hahatontosa ireo, hoy ny Filoha dia tokony haneho fahavononana sy  fahaiza-manao ny mpitondra ka tsy handiso fanantenana ny vahoaka izay nifidy. Tsy ny vahoaka ihany fa mbola anjaran’ny mpitondra isan-tsokajiny eny anivon’ny minisitera sy ny andrim-panjakana samihafa no mampiseho finiavana  hanao ny asany ao anatin’ny mangarahara  mba hampatoky ny mpamatsy vola  sy ireo firenena vahiny miara-miasa amin’i Madagasikara.  

Tsy misy vola

Raha nandray fitenenana kosa ny praiminisitra dia nanambara fa “Hanao velirano isika fa hiezaka mafy, hiasa hatrany, ary hametraka ho laharam-pahamehana ny fametrahana ny Fanjakana tsara tantana sy Tan-dalàna. Hatomboka amin’ny ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny halatra andramena sy ireo fanondranana tsy ara-dalàna ireo zavaboary sy harena an-kibon’ny tany ary ny ady amin’ny halatra taolam-paty izany. Indray mihira isika, hoy ny lehiben’ny governemanta ka tokony hampitovy  feo amin’ny fanatanterahana ny tetika hampandrosoana ny firenena sy ahafahana mametraka lamin’asa isam-paritra izay mety hahazoana fanampiana ara-bola avy any ivelany. Tsara ny tsy miankin-doha amin’ny hafa saingy noho ny krizy dia tsy maintsy mbola miara-miasa amin’ny vahiny aloha i Madagasikara. Hatreto aloha dia mijanona ho fandaharanasa anaty boky fotsiny ny PND fa tsy mbola nisy ny sorabola mazava azo avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny masoivoho Frantsay eto amintsika aza dia efa nisy fotoana nanakiana mafy io fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ankehitriny io. Tsy tonga nanatrika ity lanonam-panokafana ny atrikasa momba ny PND ity teny amin’ny CCI Ivato ny masoivohon’i Frantsa sy Etazonia izay anisan’ireo firenen-dehibe manana ny maha izy azy tena miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara. Mampieritreritra !


 Andry Ratovo/RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT