Hitsidika ny nosy Maorisy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Hanainga rahampitso alarobia izy ary haharitra hatramin’ny zoma ny diany any. Io izany no fivoahana voalohany hataony taorian’ny nanendrena azy amin’ny toeran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’ny 14 janoary 2015
. Hisy ny fihaonany amin’ny praminisitra maorisianina Anerood Jugnauth, hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, izay hivelatra bebe kokoa amin’ny lafiny toekarena ankoatra ny resaka politika. Eo amin’ny lafiny sosialy indray, dia mpikambana ao amin’ny Rotary International «Ainga» Antananarivo ny praiminisitra Malagasy nanomboka tamin’ny 1999 ary efa Governoran’ny Distrika 9220 ny taona 2013-2014, ka raha ny tsiliantsofina dia hisy asa manokana hataony mikasika io ihany koa voalahatra ho isan’ny anton-diany any an-toerana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.