Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo satria taorian’ny fampitandremana nataony raha nihaona tamin’ny mpiasan’ny fadin-tseranana izy ny zoma dia nisy indray ny filankevitry ny
governemanta niresahana manokana momba ny mpitandro ny filaminana ny sabotsy 21 febroary lasa teo. Tena ampy izay fa tsy azo ekena intsony ny resaka kolikoly sy ny fanaovana « interventions », hoy ny praiminisitra. Voakasik’io avokoa ny polisy, zandary ary ny mpitsara. Teneno aho raha misy mbola sahy manao izany, hoy ny jeneraly Jean Ravelonarivo. Nampitandremany ireo lehibe ao amin’ny mpitandro filaminana mba tsy ho roboka amina aferafera sy kolikoly. Ianareo no toky hampiseho ny ohatra tsara voalohany, hoy izy. Ny lehibe no alain’ny olom-pehezina tahaka, koa aoka ny lasa homba ny lasa, mametraka ny fitokisana tanteraka aminareo tompon’andraikitra ambony rehetra aho, nefa manomboka izao dia tsy handeferana intsony ireo minia manao tsy mety (tolérance zéro). Tapitra tamin’ny sabotsy lasa teo ny fiziriziriana hijanona amin’ny fomba tsy mahomby rehetra, hoy ingahy praiminisitra fa fiovana ara-toe-tsaina, ara-toetra ary ara-batana no takian’ny fampandrosoana. Nanaiky hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ireo toromarika ireo ny mpitandro ny filaminana notarihan'ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.
Tena misy ireo manao afera
Ankoatr’izay moa dia nanome ireo toromarika ho an’ny mpitandro ny filaminana, ho fampiharana ny Teti-pivoaram-pirenena ho Fampandrosoana (PND) sy ny politikam-panjakana ankapobeny (PGE) ihany koa ny lehiben’ny governemanta. Efa nisinisy ihany ny kabary sy fanomezan-toky natao teto ka asa indray izay ho vokatr’ity fitratrevatrevan’ny praiminisitra ity, satria misy mihitsy ireo tompon’andraikitra ambony, manampahefana sivily eo ihany koa ny miaramila, zandary voatonontonona amina afera maizina, tahaka ny fandraisana vola rehefa misy ny fanadinana handraisana polisy sy zandary; misy ireo voatondro ho miaro ny dahalo, ao ny mpampanofa basy, misy ihany koa ireo miaro ny mpanondrana entana an-tsokosoko…Tena misy izany matoa hentitra ny praiminisitra. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe:raha misy tratra ary ireo be galona mpanao afera, dia ho sahy hisambotra sy hitsara ary hanagadra azy ireo tokoa ve ny fitondram-panjakana ? Efa maro sahady ny olona miahiahy fa sao dia tsy hisy asa mivaingana atao akory fa mandany andro mampitandrina sy mamono vorona fotsiny ingahy praiminisitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.