Hanatanteraka fitsidihana ofisialy any Frantsa ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny 30 aogositra hatramin’ny 6 septambra 2015.
Naparitaka tamin’ny fampitam-baovao taorian’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha tamin’ny 26 aogositra io. Tsy nisy nampahafantarina na dia amin’ny ambangovangony aza ny mety ho fandaharam-potoanany any. Loharanom-baovao hafa no mba ahitana fa dia hisy fihaonan’ny lehiben’ny governemanta Malagasy amin’ireo mpandraharaha frantsay mivondrona eo anivon’ny MEDEF (Mouvement des enterprises de France) amin’ny alarobia 2 septambra izao, ankamantatra ny ankoatra izay. Ity no fivoahana ofisialy faharoa hataon’ny praiminisitra Ravelonarivo taorian’ny diany tatsy amin’ny Nosy Maorisy tamin’ny volana mey 2015 iny. Dia voalohany hatao any Frantsa kosa anefa. Sokajiana ho fitsidihana ofisialy izy ity, midika io fa dia volam-bahoaka no ho lany amin’ny fiantohana ny diany mandritra ny herinandro any, dia izay tsy ho izy irery no mandeha fa hisy delegasiona miaraka aminy. Zon’ny vahoaka Malagasy miantoka ny lany, araka izany, ny mahalala na dia izay mba fandaharam-potoana fotsiny aza, mba tsy hanomezana vahana ny honohono sy ny resaka an-jorony, ka ho sanatria ho lany amin’ny fiantsenana ny ankamaroan’ny fotoana any, nefa ny raharaham-pirenena indrindra ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara amin’izao tena mangotraka. Sa handray toromarika politika amin’ny renimalala, rehefa nahazo antoka avy amin’ny filohan’ny Repoblika fa tsy voakitikitika amin’ny toerany ao anatin’ilay “pacte de responsabilité”resahibe be tato ho ato ? Manomboka miely rahateo ny feo fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenana amin’ny 2018 ny jeneraly Jean Ravelonarivo. Toa manamafy izany ny tranga niseho tato ho ato, nividianany fiara tsy laitram-bala, ny nividianany ny Radio Feon’ny Vahoaka, izay radio tsy miankina voalohany teto Madagasikara niforona nandritra ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991, ny fikasany hanokatra gazety an-tsoratra ato ho ato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.