Politique

Pilcop teny amin’ny Magro Ampodio ny filoha Ravalomanana raha tsy manana alahelo aminy tokoa…


  • Alatsinainy 01 Septambra 2014

Tena mbola mpianatry Rajoelina ihany ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy Atoa Marcel avy any Manakara satria mbola miaina anaty fialonana nampahantra ny Malagasy. Tsy manana “raison d’ętre” hamahana ny krizy eto amin’ny firenena ny fitondrana ankehitriny, ny aretina entin’ny Jirama, raharaha Airmad sy ny FRAM ka tsy afaka mamaha ny krizy intsony, kenda tanteraka

Ny asa andrasan’ny Iraisam-pirenena aminy tsy nisy vita ka miantso ny FFKM handray andraikitra haingana fa sao dia hiteraka krizy hafa ny fitarazohana eo.  Aoka tsy angatahana andro ny fanaovana fampihavanam-pirenena, hoy Rtoa Pilcop avy amin’ny ankolafy Zafy Albert fa tsy any Mahajanga ny olana na any ivelany. Sao dia feno valala aza ny Lapa eny Iavoloha ka niova lasy indray ny filoha ?  Raha tsy manana alahelo amin’ny prezidà  Ravalomanana tokoa ny filoha  Hery Rajaonarimampianina  maninona no tsy sahy mampody azy ? Sarotra ny fampihavanam-pirenena raha tsy tanteraka ny tondrozotra,  hoy i Julien ao amin’ny 2è. Ny mahafinaritra anefa dia efa niova lela ny mpanakana ny fodian-dRavalomanana ary “condition sine qua none” ny fanatanterahana azy, izay hany lalana tokana ho an’ny firenena. Ny vahiny izao no tompon’ny tany eto amintsika ary ny fokontany no mpanelanelana, hoy i Bernard filohan’ny FIFAR teo aloha. Ravalomanana no hany sahy nandroaka masoivoho frantsay teto rehefa tsy nety ny nataony, hoy i Zafilahy Stanislas, izao, tsy ny vola no mitobaka fa ny valala,

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT