Lasa mizara roa ny hevitry ny mpanao politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,
hoy ny antoko MDM (Mouvement pour la Democratie a Madagascar), tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Amin’izy ireo, dia mifameno tanteraka ny firosoana amin’ny fifidianana sy ny fanorenana ifotony fa tsy mifanipaka, ka samy mila fanatanterahana. Tokony hirosoana ny fifidianana amin’ny 7 novambra, saingy tsy azo ihodivirana ny fanorenana ifotony. Mila milaza ampahibemaso fa hanatanteraka fanorenana ifotony izay kandida lany ho filoha, ary izy no mitarika sy manao antso avo amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fanatanterahana ny fanorenana ifotony, hoy hatrany ity loholona notendren’ny filoha ity. Tsy mbola manana kandida hatolotra amin’ny fifidianana kosa izy ireo, raha ny nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.