Politique

Pierrot Rajaonarivelo Governemanta iaraha-mitantana no vahaolana


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Nohararaotina nandritra ny fitokanany ny bazary ho an’ny mpivarotra ao Morarano Ambodi-Pont ny sabotsy teo, izay namboarin’ny rahalahy izay maty nisy namono ary nampitondraina ny anarany raha teo ny bazary, Atoa Pierrot Rajaonarivelo nanontaniana ny heviny mikasika ny raharaha politika ankehitriny.

 

Fiaraha-mitantana

“Efa tsy azo ivalozana iny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny, na betsaka aza ireo mbola mandrirotra azy iny. Ny tokony hatao izao dia ny hisian’ny fitoniana ara-politika, hahafahan’ny vahoaka Malagasy miaina am-pilaminana sy miasa ara-dalàna ary lavitry ny tsy fandriampahalemana”. Izay no nambaran’Atoa Pierrot Rajaonarivelo. Nohamafisiny fa “ny fametrahana governemanta hiarahan’ny rehetra ka mandray anjara ao avokoa ireo filoha teo aloha rehetra, ireo vondrona maro an’isa eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ary ireo mpanao politika vonona amin’ny politikam-pitondrana izay vonona”; ka mandritra izay dia “tsy maintsy ny vondrona maro an’isa eo anivon’ny depiote no manolotra ny praiminisitra. Tsy tokony handray fepetra handrava ny antenimieram-pirenena kosa ny filoha, saingy tokony hifandamina amin’ny olana anatiny ireo depiote…”.

 

Tsy mahamaika ny fifidianana filoha

Raha ilay heritreritry ny vondrona Ambodivona amin’ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana kosa, ho an’ny filoha nasionalin’ny MDM dia tsy mahamaika izany satria hampisy korontana eto indray ny ho fanomanana izany sy ny pitsopitsony ara-lalana amin’ny fanatontosana azy; ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny governemanta vaovao hatsanga haingana sy ny parlemanta izao no tsara imasoana; hampisy fitoniana ara-tsaina aloha ny Malagasy efa sempotry ny ady lahy politika sy fahantrana noho ny nataon’ny mpanao politika ihany. Ankoatra izay, dia ny fametrahana ny fihaonam-pirenena sy fihavanana maharitra ny mpanao politika no tokony hifampidinihana amin’izao zava-misy mampikorosy fahana ny fainam-bahoaka izao, hoy Atoa Pierrot Rajaonarivelo namarana ny fanazavany.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT