Politique

Pety Rakotoniaina « Vonona hifanatrika amin-dRajoelina aho ! »


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Raha sahy milaza fa tsy nangalatra i Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra, dia vonona hifanatrika aminy koa aho fa izaho sahy miady hevitra hanohitra ny filazany.

 

 Izay raha fintinina ny kabarin’ity mpanao politika ity tetsy amin’ny Parvis Analakely nandritra ilay “Hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony” ; tsy mendrika hitondra firenena intsony i Rajoelina satria mpangalatra hoy i Pety Rakotoniaina. Nandiso ny filazana amin’ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy sasany ihany koa ny tenany milaza fa ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina no ao ambadiky ny tolon’izy ireo. Tsy marina izany fa izaho no nanohitra ity fitondrana ity voalohany. Zava-dehibe amiko ny firaisam-pirenena fa izahay ireto tsy mbola nisy teo amin’ny fitondrana na iray aza. Ekeko fa misy mpikambana ao anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara ato anatin’ity hetsikay ity. Ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan’ny niara-nanapa-kevitra taminay eo anivon’ny K3F tany Fianarantsoa. Miombon-kevitra amin’ny maha zava-dehibe ny fanorenana ifotony koa izy, saingy tsy mandray famatsiam-bola avy any koa izahay fa tsipaipaika no mampandeha an’ity. Izaho manokana dia nivarotra vary 20 taonina hahatanteraka ny tolona noho ny fitiavako tanindrazana, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT