Tsy mbola tafavoaka ao anatin’ny krizy ny firenena raha ny fahitan’ny « Alliance pour la paix de la refondation de la nation » (APRN)
ahitana ny antoko Tambatra tarihin’ny filohany Pety Rakotoniaina azy, nefa dia mbola hambolena krizy vaovao indray amin’ny fifandrafian’ny prezidansa sy ny Solombavambahoaka.
Mikatso
Nambaran’i Pety Rakotoniaina fa tsy mety ilay hevitra entina hampifanatonana ny ekipan’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka izay voizina amin’izao. Tsy mety ihany koa, hoy hatrany izy, ny filazana fa nanongam-panjakana ny solombavambahoaka raha nanangon-tsonia entina hampitsaharana ny filoha satria asan’izy ireo ny manara-maso ny fahefana mpanatanteraka. Manara-maso ny fahefana mpanatanteraka fa tsy asiana takalony toy ny fangalana vola kosa. Tsy marina ihany koa ny filazana fa ny diniky ny fampihavanam-pirenena natao teny Ivato no niteraka izao korontana izao, hoy izy. Olona tompon’andraikitra tia tanindrazana avokoa mantsy no nivory teny izay samy namoaka ny heviny entina hamahana ny krizy lalovan’ny firenena mba hiadanan’ny vahoaka 22 tapitrisa. Mandainga izay milaza fa mandeha izao toe-draharaha eto amintsika izao raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana fotsiny isika izay mampiraviravy tanana ny vahoaka. « HVMisation à outrance » izay efa trangan-javatra nampikatso ny firenena hatrizay no misy ankehitriny.
Fanavaozana hatrany ifotony
Vahaolana aroson’ny APRN ny tokony hanaovana fanavaozana hatrany ifotony ka hahafahana manangana rafitra vaovao hitondrana ny firenena. Hangatahin’izy ireo ihany koa ny hananganana ny antenimieram-panorenana na « assemblée constituante » izay hiara-dalana amin’ny Antenimieram-pirenena. Mila hatsangana koa ny CNR na komity nasionalin’ny fampihavanam-pirenena. Farany dia ny fanatanterahana tsy misy hatak’andro ireo fehin-kevitra tapaka teny Ivato hahafahana mamaha ny olana mitranga eto amin’ny firenena fa tsy hoe hilamina amin’ny famahana ny olan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay ambara fa tena nilaina nefa ampahany ihany iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.