Politique

Pety Rakotoniaina sy ny HFI Hitory an’i Andry Rajoelina


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Fifanandrifian-javatra ve sa kajy efa voarindra? Iray andro mialoha ny famoriam-bahoaka hotontosain’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina,

etsy Mahamasina anio mantsy no nanao diabe nankeny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ry zareo avy eo anivon’ny Hetsi-bahoaka ho an’ny Fanovana sy Fanorenana Ifotony.Anton’izany ny fametrahan’izy ireo antontan-taratasy manontany ny HCC hoe rafi-pitsarana inona no hitoriana ny filohan’ny tetezamita teo aloha.Mahafantatra zavatra maro, izahay hoy i Pety Rakotoniaina ary efa vonona ny taratasy fitoriana an’i Andry Rajoelina. Taorian’ny famoriam-bahoaka notontosain-dry zareo tetsy amin’ny Parvis Analakely omaly no nanaterany izany tetsy amin’ny HCC Ambohidahy sy nametrahany ny fitakiana fanemorana fifidianana ihany koa. Mpangalatra i Andry Rajoelina, ary tsy mendrika hitondra firenena, hoy izy ireo. Tsy mazava avokoa no niavian’ireo fananany toy ny kaontiny any ivelany izay mahatratra 600 tapitrisa Euros raha 700 tapitrisa Euros ny an-dRajabali izay voalohany amin’ny mpanefoefo eto amintsika. “Vola avy aiza no nahazoany ireo tranony any Dobay, Frantsa, Maorisy ireo ?”, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra, Pety Rakotoniaina. Heno ny anarany any anaty trafikana andramena sy volamena, hoy izy. Toy izany koa ny resaka fitranndrahana vy tao Soalala sy ilay 100 tapitrisa dolara ary ny momba ny famarotana tsy mazava tsara ny fiaramanidina Force One. Anisan’ny antony tokony hanemorana ny fifidianana ny tsy fahazavan’ny kandida, hoy izy ireo, ankoatra ny daty tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT