Nidoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora i Pety Rakotoniaina, iray tamin’ireo mpitarika ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony (HFI), taorian’ny nisamborana azy tany Camp Robin ny talata takariva teo raha saika hihazo an’i Fianarantsoa.
Nakarina avy hatrany taty Antananarivo ary notazonina teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy omaly, ary nalefa eny am-ponja ny hariva. Fananganana fanjakana ao anaty fanjakana sy fanohitontohinana ny filaminana anatiny no voalaza fa anisan’ny niampangana azy. Mazava fa ny fanjakana no nampisambotra ity mpanao politika ity, izay tsiahivina fa anisan’ny tsy naneho hevitra sesilany momba ny tokony hanemorana ny fifidianana izy. Voaporofo tamin’ny alalan’ny fisavana ny solosainy sy ny findainy izay nogiazan’ny mpitandro ny filaminana ve ny karazana tetika politika nokasainy hatao ? Iza no mpiara-dia aminy ary mifandray tendro ve ny nisamborana azy sy Rainidina Rajoharison ? Maro ny fanehoan-kevitra politika nataon’i Pety Rakotoniaina, toy iny resaka fifidianana iny, ka tombanana tsy hahita mangirana ny tenany raha tsy aorian’ny fahavitan’ny fifidianana, raha tena mitombina tokoa ilay vesatra fanohintohinana ny filaminana anatiny. Tsaroana ny karazana ampamoaka nataony momba an’i Andry Rajoelina sy ny fitoriana nataony sy ireo mpiara-dia aminy, ka tsy hay na mety hisy hifandraisany amin’izany izao fandetehana azy izao na ahoana. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2006 nialoha ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa dia efa niaina toe-javatra mitovitovy amin’izao i Pety Rakotoniaina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.