Na dia niteraka fanehoan-kevitra vaovao isan-karazany indray aza ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ilay fihaonambe nasionalin’ny fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM ka nifarana tamin’ny sabotsy teo teny Ivato, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra, ¨Pety Rakotoniaina” dia tohananay marindrano kosa sady
takianay ny fanatanterahana izay voalaza, hoy izy. Tena ny filan’ny firenena fa tsy zavatra haitraitra no tapaka tao ka heverin’ny Tambatra fa tsy maintsy irosoana ny fanovana azy, hoy izy, ary ambaranay ho fanetriben’ny firenena izay misakana ny fanatanterahana izany. Vonona hifandahatra mivantana mihitsy amin’ireo izay sahy hitsipaka azy io izahay, hoy ity mpanao politika avy any amin’ny Faritra Matsiatra ambony ity. Efa notakian’ny antoko Tambatra sy ny APRN na “Alliance pour la paix et la refondation nationale » tamin’ny nanoherany ny hirosoana tamin’ny fifidianana tamin’ny 2013 izao notanterahin’ny rehetra izao ka tsy maintsy harovany. Ary mazava izao fa tsy nahavaha olana iny fifidianana notanterahina iny matoa mbola miaina anaty krizy lava tahaka izao ny vahoaka ka tena ilaina ny hametrahana rafitra vaovao sy fepetra politika hisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara. Ekena daholo ny fanovana notakian’ny mpizaika rehetra ka horaiketina anaty lalàmpanorenana vaovao hajoro ny resaka fitsinjaram-pahefana tena izy, ny tsy tokony hampivadian’ny mpitsara ny ny mpitandro filaminana ny fanaovana politika sy ny asany. Soloina ny CNR sy ny CENIT ary hampiatoana aloha ny fifidianana ben’ny tanàna. Soloina ny governemanta satria tsy mandeha ny asany fa tsy hoe ravana ny fitondrana ary fampitomboana isa ny mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena no hiteraka ny Antenimieram-panorenana na “assemblée constituante” fa tsy fanalana ireo depiote amin’ny toerany, araka ny heviny. Tsy azo ekena ny toetsaina miaro seza matahotra fanovana fa mampihemotra ny fanampiana avy any ivelany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.