Politique

Pety Rakotoniaina Mandroso vahaolana


  • Zoma 20 Martsa 2015

Manomboka mametra-panontaniana ny maro manoloana ny zava-miseho ankehitriny hoe : nitondra inona marina ho an’ny firenena ireo fidinana an-dalambe nitarika fanonganam-panjakana ka nanaovana tetezamita hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena no ho mankaty ?

 

 Nahomby ve, namaly ny fanirian’ny Malagasy ve ? Sarotra ny hino fa eny ny valiny manoloana ireo hetsi-pitakiana amin’ny sehatra samihafa miseho lany tato ho ato ireo. Diso fanantenana ny maro, raha nanantena fanovana tamin’ny fiainany sy ny fitantanana ny firenena ka nanosika azy nidina an-dalambe. Diso fanantenana ny Malagasy fa nanjary olom-bitsy na vondron’olom-bitsy nanana fahefana no nahazo tombontsoa fa hadino ny vahoaka ary ny  loza dia vao mainka niharatsy ny fiainany. Nanampy trotraka ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny hetahetam-bahoaka. “Fahadisoana lehibe ary tena famonoana ny vahoaka ary famotehana ny firenena raha mbola hiverina amin’izany tranga izany isika”, hoy i Pety Rakotoniaina, raha nanontaniana ny heviny. Misy ny vahaolana, hoy ity filoha nasionalin’ny Tambatra ity saingy mitaky fiovan-toetsaina izany, ary manana adidy amin’izany ny filohan’ny Repoblika. Mila manana fahasahiana hanova izy, fa tsy izao fomba atao izao no hamaha ny olana ka hahatafavoaka an’i Madagasikara anatin’izao lavaka misy azy izao. “Adihevitra lavitry ny kajikajy politika no lalana, tsy hiverenana amin’ny tsy nety teo aloha”, hoy i Pety ary mila fahasahiana sy finiavan’ny rehetra, mpitondra, mpanao politika, sns izany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT