Mahasaro-piaro anay ny endrika kolikoly hitondrana ny firenena, hoy i Pety Rakotoniaina raha tena misy marina izany manoloana ilay raharaha nisavan’ny mpitandro ny filaminana an-dRakotomanga Lanto solombavambahoaka
voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa ka nahatrarana lelavola 200 tapitrisa Ar tao anaty fiarany. Tsy tokony hividy vola olona ny mpananteraka, hoy izy raha toraka izany koa ny ekipan’ny mpitondra izay voalaza fa manaparitaka vola etsy sy eroa ankehitriny. Aoka rehefa hatao izany hoy izy dia hatao ary rehefa tsy hatao dia tsy hatao. Mikasika ny zava-nitranga tamin’ity solombavambahoaka ity manokana dia nambarany fa tsy hitany izay antony hiampangana azy. Tsy tao amin’ny Antenimieram-pirenena izy no nikirakira ilay vola, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina no sady tsy tsy niaraka tamina solombavambahoaka maromaro ihany koa talohan’io fotoana nisavana ny fiarany io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.