Politique

Pety Rakotoniaina “Heverin-dRatsirahonana sy Rajoelina fa gidro ny gasy


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foiben’ny Hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony tetsy Antaninandro i Pety Rakotoniaina sy ireo mpiara-dia aminy ny sabotsy teo.

 

!”

 

Tiana, hoy ny tenany, ny manazava ny sain’ny vahoaka fa efa nohazavain’andriamatoa Paul Pody, izay mpikambana Mapar teo aloha, teny amin’ny kianjan’ny 13 mey fa antony nialan’ity farany tsy ho mpikambana Mapar intsony ny fanavakavahana niseho nandritry ny fivoriana niarahany farany tamin’ny Mapar. Raha naneho hevitra tamin’izay fotoana izay, hoy i Pety Rakotoniaina ity mpikambana teo aloha ity hoe andao hanorina ifotony dia : omena ny gidro izany ve ny fahefana no valinteny azony. Rajoelina sy Ratsirahonana izany, hoy ny tenany, dia mihevitra ny gasy mitovy aminy ho gidro. Ny gidro lazain’ireo eto dia ireo avy any amin’ny faritra, hoy hatrany izy. Tsy mendrika hitondra firenena intsony, hoy ity mpanao politika ity ny olona toy izany ka asakasak’izay mbola hanaraka azy. Manginy fotsiny ny fitoriana mitambesatra amin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Vao nivoaka gazety indray izao hoe nisy nitory tany Frantsa izy mivady, hoy i Pety Rakotoniaina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT