Mirehitra mena avokoa ny famantarana isan-tsehatra, izay fambara fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tsy misy tsy mimenomenona izao na mpandraharaha na olon-tsotra, eny fa na mpiasam-panjakana aza, izay midika fa marary ny toekarena, ny sosialy ary ny politika eto Madagasikara. Ho an’i Pety Rakotoniaina
dia “fivangongoan’ny olana tsy voavaha na niniana tsy novahana nandritra ny fitondrana nifandimby no fototr’izao zava-miseho ankehitriny izao”. Tokony ho tonga saina isika Malagasy, fa tena sahirana ny firenena ary fadiranovana ny vahoaka, hoy ity filoha nasionalin’ny antoko Tambatra ity. Izao no fotoana tokony hifanomezan-tanana sy hifanampiana ho tombontsoam-pirenena, hoy izy, ary izay no tsy isalasalan’ny antoko Tambatra mandroso hevitra sy manolotra vahaolana. Miantefa mivantana amin’ny filohan’ny Repoblika ny vahaolana arosonay, hoy i Pety. “Aoka ny filoha ho sahy hanao fanitsiana ary tsy hanana henamaso, eny fa na amin’ireo manodidina azy aza, fa ny tombontsoam-pirenena no jerena”. “Toy ny amin’ny fambolena io : raha tiana hahazo vokatra tsara dia esorina ny ahidratsy”, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavana. Mbola nanamafy indray ny filohan’ny Tambatra fa “tsy mpanohitra nefa koa tsy mpanaraka be fahatany”. “Vonona hitondra hevitra hanasoavana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana izahay, nefa koa tsy afaka hijery arina an-tava. Miteny mivantana izahay rehefa hita izao fa tsy mety ny ataon’ny mpitondra”, hoy izy. Izay no nanaovany fanamarihana amin’ireo fitakiana sy grevy niseholany tato ho ato. Tokony hahatsapa tena ny tsirairay ny amin’izay zakan’ny firenena, hoy i Pety fa tsy vahaolana ny endrika fanararaotana politika sy ny fitarihana olona hikorontana fa efa tena latsaka an-katerena ny firenena. Ny hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana no ndao himasoana, hoy izy ary izay no maha zava-dehibe ny firosoana amin’ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM, izay niantsoany ireo raiamandrenim-piangonana mba hanokatra bebe kokoa hatrany ny sehatra handraisan’ny rehetra anjara. Niantso ny FFKM koa ny tenany, haneho ho fanta-bahoaka ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika isam-paritra mialoha ny hanatanterahana ny dinika nasionaly ny 25, 26 sy 27 martsa ho avy izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.