Haharitra mandra-pahoviana ny fangala-piery ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ? Fanontaniana eny ambavan’ny maro io manoloana ny tsy mbola fahavitan’ny famindram-pahefana eo amin’ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, kolonely Ramiaramanana Joseph sy ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka Lalao Ravalomanana.
Ny zoma 2 oktobra tamin’ny 10 ora maraina no voatondro hatao ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta saingy tsy tanteraka tamin’ny ora farany izany. Tao an-toerana ihany ny PDS io andro io saingy lasa talohan’ny nahatongavan’ny Ben’ny tanàna vaovao. Raha ny fanazavan’ny administratera sivily Andriamorasata Julien, nitondra tenin’ity farany, dia efa samy nahazo taratasy fampahafantarana ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana mikasika ny voka-pifidianana kaominaly teto Antananarivo tamin’ny 18 septambra 2015 avokoa ny an-daniny sy ny an-kilany, ary efa nanome alalana ny hirosoana amin’ny famindram-pahefana ny Prefen’Antananarivo, saingy nanaovan’ny PDS fangala-piery ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Tsy nanakana an’ity farany tsy hiditra tao amin’ny Lapan’ny tanàna moa izany io zoma io, ary milaza ny ho avy isan’andro hifankazatra amin’ny mpiasa izy, ka hatomboka amin’ny fiarahana manangan-tsaina izany anio maraina. Andriamorasata Julien tetsy an-kilany dia nanome tsiny ny PDS amin’ny tsy fananana etika amina maha olom-panjakana ambony azy.
12 andro
Ho avy ao amin’ny Lapan’ny tanàna ary ve ny PDS Ramiaramanana Joseph anio sa mbola hanohy ny fangala-pieriny ? Misy loharanom-baovao milaza fa mety mbola haharitra io sangy ratsin’ny PDS io, fa hoe mbola manana «contrat» 12 andro amin’ny Karana izy. Tsy nahazoana fanampim-baovao moa ny antony, saingy maro no mihevitra fa mety mifamatotra amina resaka tany io na fandravana trano na fanotofana tany. Tranga izay efa arahin’ny Ben’ny tanàna maso akaiky, ary anisan’ny votoatin’ny fihaonan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao sy ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana ka nilazan’ity farany fa tsy azo ekena ny fanotofana tany amin’ny toerana efa voafaritry ny lalàna fa tsy azo anaovana izany, na iza na iza manam-bola, hiarovana ny faritra iva amin’ny tondra-drano. Hitodika eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, araka izany, ny mason’ny maro manomboka anio, hanaraka ny fivoaran’ny raharaha.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.