Herinandro izay no nandraisan-dRamatoa Perline Endor ny fitantanana ny kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro, tsy mbola miravona ny disadisa eo amin’ny samy vahoaka. Ao ireo mankato ny fanendrena, tsy vitsy ireo mitonona ho tsy mankasitraka
. Mbola samy miziriziry amin’ny heviny ny roa tonta. Ny mampanahy ny vahoaka dia ilay filazana fa nahantona ny fanendrena ireo mpitantana vaovao taoriana kelin’ny famindram-pahefana. Marihina fa tsy narahina taratasy ofisialy fa am-bava fotsiny izany. Ireo ekipa vaovao mitonona fa ny taratasy fanendrena narahina ny fahavitan’ny famindram-pahefana no ifanarahana (lôjika ihany raha ara admnistrativa). Izany no mahatonga azy telo mianadahy vaovao hanohy hatrany ny fampandehanan-draharaha. Maro ny vahoaka no manatona ny ao amin’ny fiadidian’ny faritra manontany sy te hahafantatra ny vaovao marina.Tsy misy ny vaovao avoakan’ny tompon’andraikitra voalohany fa mbola miaina amin’ny honohono. Ireo mitonona ho HVM ao Tolagnaro dia miray feo fa tsy ankasitrahana ny fanendrena olona “mipoerapoera” ho amin’ny toeran’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro. Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ireo vondron’antoko nanohana ny kandidan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Mahery vaika ny fanoherana ataon’ny HVM any an-toerana satria tsy voatendry amin’ilay toeran’ny PDS ny olon’izy ireo, ary takian’izy ireo ny hanesorana faran’izay haingana an’ny PDS Perline Endor.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.