Politique

PDS MAHAJANGA Nailiky ny HVM tsy ho kandida


  • Zoma 17 Aprily 2015

Sahiran-tsaina ny Pds Mahajanga raha nahare fa tsy izy no ho kandida atolotry ny antoko HVM Mahajanga amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Taitra ity farany raha nahare io fanapahan-kevitra tampoka io.

 Niandry ny famindram-pahefana amin’izay mety ho lany eo sisa no natao satria dia tsy misy hevitra intsony ny filatsahan-kofidiany amin’ny volana jolay izao. Hita fa tsy tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny biraon’ny CENI-T izy. Ireo mpomba azy rahateo efa tsy tazana manao fanentanana amin’ny haino aman-jery rehefa misy hetsika ataon’ny PDS amin’ny tanàna. Mpikambana iray avy amin’ity antoko HVM ao Mahajanga ity no hatolotra hisolo toerana ny PDS izay mpikambana koa. Raha ny loharanom-baovao izay voaray anefa dia noho ny fiarahan’ity PDS tamin’ny tale jeneralin’ny Tresor tamin’ny hetsika Beach Soccer tao Mahajanga no antony tena tsy nanolorana azy ho kandida HVM amin’ny fifidianana. Hetsika maro no efa vitan’ity farany tao an-toerana izay nandaniana vola am-tapitrisany mba hifidianan’ny vahoaka azy. Diso fanantenana ity farany ka tsy mbola fantatra raha tena izy marina no hatolotra na olon-kafa. Maro no mametraka fanontaniana raha mbola hiditra ho antoko HVM ny Pds Mahajanga manoloana ny fanesorana azy tsy ho kandida io antokon’ny fitondrana io intsony.

                                                                                                                               Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT