Politique

Paul Rabary Hanafoana ny fampiasana taratasy


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Rehefa avy nanao fidinana ifotony tamin’ny soavalivy nitety faritra dia nanatontosa fihaonana tamin’ireo tanoran’Antananarivo tetsy amin’ny Dome RTA Ankorondrano omaly ny kandida Paul Rabary.

 

 

Tanjon’ny hetsika satria ao anatin’ny antsoina hoe « précampagne » isika izao, hoy izy, dia ny hampahafantatra ireo tanora hoavin’ny firenena sy ny vahoaka fa misy vina azo tanterahana ao anaty fotoana fohy. Ohatra amin’izany ny fanafoanana ny kolikoly amin’ny alalan’ny fampiasana taratasy. Be loatra ny taratasy miasa eto. Manao kopia sy fanamarinam-ponenana dia milahatra noho izy fampiasana taratasy ary maka fanahy hanao kolikoly. Isika anefa, hoy ny tenany efa taona 2018 fa tsy 1692 intsony. Azo atao ny mametraka ny antsoina hoe DATA Center mba tsy ho 10 andro na 1 volana intsony no hanaovana taratasy fa mba elektronika daholo ny zava-drehetra. Havanana amin’izany ny Malagasy fa malaina hampiasa ny fahaizany. Azo atao ny mametraka io rafitra io ao anatin’ny 3 taona. Ny taratasy sady mandoto tontolo iainana no mandany vola kanefa miteraka kolikoly, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT