Nijoro vavolombelona mikasika ny zava-natrehiny fony izy tao anaty vondrona Mapar ny mpahay lalàna sady filohan’ny antoko RDR, Paul Pody, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny biraon’ny hetsi-bahoaka ho an’ny fanovana sy fanorenana ifotony etsy Antaninandro.
Manompo foto-kevitra izahay fa tsy olona, hoy izy. Taona 2013 aho no niditra mpikambana Mapar rehefa resy lahatra tamin’ny foto-kevitra novoizina tao. Tsara sy mamirapiratra ilay vina IEM saingy rehefa dinihina dia zava-doza ho an’i Madagasikara no ao anatiny, indrindra ho an’ireo faritra 5 ankoatra an’Antananarivo. Fivarotana tanindrazana, hoy izy, io. Fifanarahana amin’ireo vahiny mpiara-miombon’antoka amin’i Andry Rajoelina. Fitrandrahana ny haren’i Madagasikara. Rajoelina no hitombo harena fa ny Malagasy hiha hahantra. Hahatongavany amin’izany dia mikasa hanova lalàmpanorenana ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity hahafahany hitondra an’i Madagasikara mandra-pahafatiny ary handimbiasan’ny taranany ny fahefany, hoy hatrany ity mpahay lalàna iray ity. Hametraka lalàna faran’izay jadona izy ary ny latsa-batontsika vahoaka Malagasy, hoy ny mpanao politika Paul Pody no afaka hisoroka izany. Raiso ny volany fa aza amidy ny safidy. Ny any amin’ireo faritra 5 no tena itodihako manokana. Isika ireo mantsy dia nolazain-dRajoelina fa gidro satria azo fitahana amin’ny vola kely. Ny gidro rehefa tambazan’olombelona akondro dia midina na dia hamono azy aza iny olona iny. Any amintsika no tena feno ireo harem-pirenena. Hararaotin’ny olona fitahana isika satria tsy mahara-baovao firy. Rajoelina tsy hahazo vato eto Antananarivo loatra satria mahara-baovao ny eto, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.