Politique

Paul Mpody « Hatsangano ny CES »


  • Talata 18 Septambra 2018

Mba hisorohana ny fizotry ny fifidianana eto amintsika dia nandroso soso-kevitra ny antoko Rassemblement pour la Democratie Republicaine (RDR) tarihin`i Paul Mpody, amin`ny fananganana fitsarana manokana momba ny fifidianana na « Cour Electoral Spécial (CES) ».

 Antony, tsy atokisana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana raha mbola io andrim-panjakana io no hisahana ireo fitoriana horaisina avy amin`ireo kandidà aorian`ny fifidianana. Tanjona ny hisian`ny tsy fitanilana amin`ny famoahana voka-pifidianana ofisialy. Maro ireo tsy fanarahan-dalàna ataon`ny HCC raha tsy hilaza afa ny fitsabahan`ny asan`ny filankevi-panjakana misahana ny fitoriana napetrak’i Tabera Randriamanantsoa sy Guy maxime Ralaiseheno. Mampatahoatra ny fitsarana eto amintsika. Raha hajoro ny CES dia tokony hahitana solontena iray isaky ny kandidà no hapetraka ao. Tsy HCC vaovao fa rafitra ao anatin`ny HCC ihany. Marihina fa tsy mandika lalàmpanorenana izany ary efa nampiharina tamin`ny taona 2013, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT