Na dia eo aza ny tsy filaminana eto amin`ny firenena, indrindra eo amin`ny tontolo politika dia mbola misy ireo kandidà maniry hiroso amin`ny fifidianana hatrany. Mahatsiaro ho tofoka tanteraka amin’ny tsy fetezan’ny fitantanana ny firenena i Pasteur Olivier Rakotodrainibe.
Mafy loatra ny ngidin’ny fahoriam-bahoaka satria, « maro ny fanomezana vahana ny tsimatimanota izay mambotry ny firenena. Mahazo vahana ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana sy ny mpitandro ny filamianana, ny kolikoly avo lenta, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. » Mila olom-baovao ny fanalana an’i Madagasikara ao anatin’ny hantsan’ny fahaverezana, hoy ity mpitarika fiangonana ity. Tsy manosi-bohon-tanana an’ireo vonona hiara-dalana aminy, araka ny fanazavana. Nomarihany manokana fa tsy hanao politika politisianina ny tenany ary hametraka olona teknisianina eo anivon`ny governemanta ka ny olom-pirenena miasa amin`ny minisitera ihany no manolotra izay olona voafidiny ho lehibeny. Laviny tanteraka ihany koa ny “theocracies”toa baribariana ny demokrasia. Betsaka ireo vina heveriny fa hanasoavana ny tanindrazana ka hahitan`ny vahoaka Malagasy ny anjara masoandrony. Betsaka ireo vina heveriny fa hanasoavana ny tanindrazana ka hahitan’ny vahoaka Malagasy ny anjara masoandrony. Noho izany, hanatanteraka kongresy lehibe ny Pasteur Olivier Rakotondrainibe ato ho ato mba hikarohana haingana ny lalana hamahana tanteraka ny krizy eto amin`ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.