Politique

Pastera Randriamisata Roger (HMF) “Ndao hihavana, aok’izay ny ady”


  • Alarobia 20 Mey 2015

Dimy taona katroka amin’ity anio ity ny raharaha FIGN, nijoroan’ny kolonely Raymond Andrianjafy sy ny andiana zandary niaraka taminy ho fanairana ny rehetra fa be loatra ny tsy rariny ary efa tena latsaka an-katerena ny firenena

 ka tokony hifanome tanana ny rehetra tonga saina sy tena tia tanindrazana hikaroka ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Namaly ny antso ny ankolafy 3 sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tamin’io alakamisy 10 mey 2010 io. Iray amin’ireo mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF)  ny mpitandrina Randriamisata  Roger, vahinin’ny Tia Tanindrazana anio.

T.T : Tranga iray nanamarika ny tantaran’ny Krizy teto Madagasikara ny  Raharaha FIGN tamin’ny 20 mey 2010 sady tena nahafantarana ny HMF ihany koa. Mamoha fota-mandry ve ny firesahana izany ? 

R.R : Tsy fanadino ny tantara fa ilaina ho fanoitra amin’ny ho avy, hitandremana  sy hoenti-mitandro ny fihavanana . Tsy tokony hafangaro ny raharaha HMF sy ny Raharaha FIGN. Ny voalohany dia Mpitondra Fivavahana  nitaona ny olona hivavaka ho an’ny fireneny izay tena latsaka an-katerena  kanefa dia niniana nafangaro tamin’ny raharaha FIGN izay raharaha hafa mihitsy ary an’ny samy miaramila na ny miaramila sy ny  nitana ny fahefana tamin’izany. Tsy ny FIGN loatra no tena nahafantarana anay fa ny fahasahianay nijoro nilaza ny marina na dia mbola tena navaivay aza ny fifanenjehana teto.

T.T : Mbola misy ve izany HMF izany, tompoko ?

Ny HMF dia tsy hoe fikambanana anankiray akory fa hetsika hivondronan’olom-pirenena  isan-tsokajiny ary tarihinay Mpitondra Fivavahana mba handala sy hikajy ny fahamarinana tahaka ny anankandriamaso. Raha mbola misy koa ny tsy fahamarinana dia misy ny HMF ary tsy mbola nisy nivadika tamin’izany foto-kevitra izany, araka ny teny fanoitry ny HMF hoe ‘’ny fahamarinana no manandratra ny firenena’’. Mbola vonona mandrakariva hanohy ny fampijoroana ny fahamarinana eto amin’ny firenena izahay  sady mbola ao fa miandry ny fotoana mahamety hihetsehana, rehefa takian’ny zava-misy eto amin’ny firenena izany.

T.T : Ianareo ve mbola mieritreritra ny hamoha  ny zava-misy tamin’ireny raharaha ireny izay nahafatesana Mpitondra fivavahana  sy Kristianina vitsivitsy, toa an-dry Dadaseta sy ilay tovolahy iray naratra tamin’iny ary efa nodimandry, Mpitondra fivavahana  mpikamban’ny HMF nanaovana herisetra  ary nampidirina am-ponja …?

R.R : Izahay HMF dia vonona hampihatra ny 4F nampianarin’ny FFKM ka vonona hifamela amin’ireo  nampitondra takaitra anay izay samy mbola eo avokoa izy rehetra  nefa  tena ilaina ny ahalalana ny marina rehetra tamin’ireny ka samy hitodika amin’ny tenany ny tsirairay ary hitodika amin’ny namany  mba hiaiky heloka sy hibebaka tokoa  ary marihiko fa tsy momba an’iny ihany fa be ny raharaha niseho tamin’ireny izay tena mbola maizimaizina ka tena mila  fanazavana  mba hampahazava ny fo ka hifamelana tokoa tsy misy arakaraka na otripo.

T.T : Ahoana ny fomba hanatanterahana izany ?

R.R : Miainga amin’ ny fehin-kevitry ny dinika Nasionaly ho amin’ny Fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFKM dia tokony hoheverina sy hatsangana izay rafitra eken’ny rehetra sady azo antoka, hanatanteraka izany ka tokony hisy Fitsarana manokana  hanadihady ny marina sy hamaritra ny fanonerana  izay niharam-boina nandritr’ireo Krizy samihafa teto Madagasikara ao anatin’io mba tsy hisy fiandaniana na karazana ”procès d’intention ‘’no hitondrana ny raharaha .

T.T : Ahoana ny hevitrareo manoloana ireo fitsikerana iny dinika ho amin’ny fampihavanana iny ?

R.R : Tsy hisolo vava ny FFKM aho ary tsy anjarako izany saingy Heveriko fa misy hevitra tsy azo ihany na sanatria ve modiana tsy fantatra momba iny ? Raha ny niainanay azy manko dia tsy hoe iny no fampihavanam-pirenena fa dinika mankany amin’ny fampihavanam-pirenena izy iny  ; koa raha be indrindra dia ahazoa-mametraka fototra sy rafitra mankany iny dinika iny  na koa hoenti-mandinika ny hetahetan’ny maro ; izay ny voalohany.

Faharoa, ny resaka ‘’legalité”na  “laicité” lazain’ny sasany anie ka tsy hoe ‘’hampanan-kery na tsia ‘’iny dinika iny fa resaka ‘’kolontsaina Malagasy ‘’anie ny fihavanana e, ary aoka tsy hohadinoina fa anjaran’izay napetraky ny fiarahamonina ho Raiamandreny no mandrindra ny fihavanana ka tsy nahagaga ny vokatry ny fitsapana ny fironan-kevitry ny olom-pirenena, nataon’ny Afrobaromètre raha nirona nankany amin’ny FFKM ny fon’ny olona raha resaka fitarihana ny asa fampihavanana. Ny Mampalahelo dia efa somary norebireben’ny vahiny amin’izao foto-kevitra sy fampianarana tsy miady amin’ny ‘’toe-pontsika ‘’rehetra izao isika ka fanontaniana koa no apetrako, ‘’Laicité’’ tsy miraharaha an’Andriamanitra ve sa ‘’laicité’’ fisaraham-pahefana eo amin’ny fiangonana sy ny fanjakana izay samy tsy misy fototra ara-tantara teto akory ny fisian’izany fa resaka ‘’secularisation’’ tany Frantsa izay miafara amin’izao savorovoro eo anivon’ny fiarahamonina any amin’izy tompony izao, toy ny resaka voaly, Charlie hebdo ? Nanao dika mitovy an’io lalàna io fotsiny isika ka resaka ‘’copier coller ‘’ ve no hanankinana ny hoavin’ny firenena ? Ny fanahy tena Malagasy ‘’matahotra an’Andriamanitra ‘’raha tafaverina dia ampy ‘’hampivitrana indray ny fihavanana’’!

T.T : Inona no anatra navelan’ny tantara ho antsika momba io fihavanana io, raha ny fijerinao azy  Pastera ?

R.R : Ireto no hosinganiko ary teny atsipy ho an’ny manam-panahy :

-  Ny fanindrahindrana be loatra ny resaka foko sy fiaviana dia tena nanimba antsika ary ninian’ny Mpanjanaka nalentika tao an-tsaintsika io fahasamihafana io kanefa matanjaka noho izay mahasamihafa antsika ny mampiray antsika Malagasy  ary ampy hampandroso antsika izany !

-  Fa nanimba be ny fihavanana mihitsy ny nidiran’ny miaramila sy ny Mpitsara, tamin’ny fiandaniana Politika ka tena ilaina ny ‘demilitarisation de la politique’’ sy ny ‘’famerenana ny fitsarana ho tsy miandany’’ na amin’iza na iza mpitondra mifandimby eo. Antenaina fa hahay haka lesona amin’izay nitranga isika ka tsy handray izany ho fanenjehana, sanatria. Saro-pady manko ny toeran’ireo hery roa ireo satria mety hampitsimbadika tanteraka ny ‘’fahamarinana’’izany. 

T.T : Inona ary no azo hamehezana izay rehetra voalaza teo izay ?

R.R : Tena misy ny ratram-po naterak’ireo “raharaha sarotra “ nitranga teto amintsika. Misy amin’izy ireny mbola fery vao, ao koa ny efa niotrika ela, ny mpandrabiraby sy ny mpandranitra koa moa nahay ka tena ilaina ny fampihavanam-pirenena  fa Andriamanitra aza  nampihavana ny tenany tamin’ny olona koa mainka izay samy olombelona. Tsy hisy fihavanana marina raha tsy miverina ‘’mihavana amin’Andriamanitra isika Malagasy rehetra ‘’. Ny Baiboly dia milaza hoe ‘’ny adala no manao anakampo hoe ‘tsy misy Andriamanitra’ ( Salamo ) fa isika Malagasy dia tena efa ra mikoriana anatintsika ao ny finoana an’Andriamanitra ; raha misy maningana dia navilin’ny sain’ny vazaha sasany.

Izahay dia mihevitra fa tsy fotoanan’ny fikitranana sy ny famoronana ady izao fa fitadiavana izay hihavanana mba hampandroso haingana ny olom-pirenena rehetra izay efa latsaka anaty fahantrana lalina ny maro. Fotoana hitodihana amin’Ilay Nahary izao tontolo izao ka hitiavana ny namana tahaka ny tena. Mila olona tena madio fo ny fikatsahana ny fihavanana sy ny fitandroana azy koa anjaran’ny tsirairay no mieritreritra izany.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT