Politique

Pastera Mailhol “Tsy misy lalàna milaza fa tsy azo fidiana ny Pastera”


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Efatra hatramin’ny omaly ireo kandida tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny Ambohidahy.

  Anisan’ireny i pastera Mailhol izay niaraka tamin’ny akanjobe maha mpitandrina azy mihitsy. Nambarany fa ny hahitan’ny mpiarabelona rehetra fa pastera ny tenany no hilatsaka ho filoham-pirenena fa tsy mpanao politika no antony. Nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ilay feo mandeha fa voararan’ny lalàna  ny filatsahan-kofidian’ny mpitondra fiangonana toa azy na ilay antsoina hoe : laicité de l’état. Nambarany   fa tsy mandrara ny pastera  hirotsaka hofidiana ny laicité. Ilay fanjakana manampy vola ny fiangonana na fiangonana manampy vola ny fanjakana no nambarany fa tsy eken’ny lalàna velona. Toraka izany koa ilay  hoe : ny fiangonana tsy mahazo manao fotoam-pivavahana any amin’ny toeram-panjakana ny fanjakana tsy mahazo mitory teny any am-piangonana. Narahina fanontaniana kely moa ny fanazavana hoe :  rehefa tsy avela hitondra ve ny mpitondra fivavahana dia ny devoly indray  no havela hanjaka ? Notsiahiviny fa foto-kevitra telo lehibe no hijoroan’ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay nanolotra azy. Lohalaharana amin’ireny ny ady amin’ny fahantrana, ny fametrahana  ny tany tan-dalana, ary ny famerenana ny îles éparses izay efa mandeha ny fifanaovan-tsonia mikasika azy io ankehitriny. Tafiditra ao ny tsy fandriampahalemana, hoy hatrany pastera Mailhol, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanamboarana ny sandam-bolantsika Malagasy…Mikasika ilay fangatahan’izy ireo ny amin’ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka momba ny famerenana  ny îles éparses moa dia fantatra fa tsy nahazo valiny avy tamin’ny HCC izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT