Politique

Pastera Mailhol “Tsy hanohana na iza na iza amin’ny fifidianana fihodinana faharoa”


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Tsy hanohana na iza na iza ny kandida Mailhol Dieudonné Christian laharana faha-34 amin’ny fifidianana fihodinana faharoa hotanterahina ny 19 desambra ho avy izao.

 

 

  Efa samy tonga nangataka fiaraha-miasa taminy avokoa mantsy ireo  kandida roa lehibe mpifanandrina raha araka ny fanazavany  ary dia noraisiny izany saingy tsy misy azo tanterahina kosa. Ho mariky ny fifanajana eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka anefa, hoy izy dia tsy maintsy mamaly izahay sady mamerina ny fisaorana ihany koa noho  ny fahatokisana napetrak’izy ireo taminay ahitana ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara, ny Komity Mpanohana ny Prezida Mailhol ary ny Fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara na ny FAM. Na izany aza anefa dia tsy hadinon’ity kandida iray ity ny nitondra fanamarihana kely mikasika ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI sy ny HCC farany teo. Nambarany fa tena tsy afa-po tamin’izany ny tenany sy ireo mpanohana azy saingy tsy hita izay hatao fa efa ireny niaraha-nahita sy nahare ireny ny zava-nisy. Nisaotra ireo olom-pirenena tonga nandatsa-bato ho azy araka izany ny kandida Mailhol. Mikasika ny fiatrehana ny fifidianana fihodinana faharoa kosa dia nanambarana ity kandida iray ity fa vonona izy ireo ny hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena. Miantso ny olona rehetra  hahay hilamina sy hanaiky izay vokatra hivoaka eo araka izany ny kandida Mailhol  sady manantena ny fahadiovan’ny fifidianana ihany koa amin’ny alalan’ny fahendren’ny CENI sy ny HCC.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT