Tsy ny fiompiana sy ny fambolena intsony izay miantoka ny 85 %-n’ny fiainan’ny Malagasy no ho enti-mampandroso ny firenena atsy ho atsy hoy Pastera Mailhol fa haompana indray amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Io ihany mantsy hoy izy no
hihazakazahan’ireo tera-tany vahiny eto amintsika saingy mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany dia hatao mitovy zara ny vokatra azo, tsy misy fifanambakana. An’ny Malagasy ny tany trandrahana hoy pastera Mailhol raha an’ny vahiny kosa ny fitaovana noho izany rariny raha samy mahazo tombontsoa mitovy ny tenany. Vonona ny hisokatra amin’ireo firenena vahiny rehetra vonona ny hanatanteraka izany araka izany Pastera Mailhol saingy nambarany ihany koa fa vonona ny hanafoana ny fifanarahana ny tenany ho an’ireo tsy manaiky zara mitovy. Notanterahina ny Sabotsy teo teny amin’ny Coliseum Atsonjombe ny fitsofan-drano sy fitondrana am-bavaka an’ity pastera filoha mpanorina ny fikambanana Apokalipsy ity taorian’ny nanaterany ny taratasy filatsahan-kofidiana ho filoha teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenanan. Narahina fitondrana am-bavaka ny firenena izany mba hizotra an-tsakany sy an-davany ny fifidianana no sady hananan’ny vahoaka fitoniana ihany koa. Nambaran’ny pastera Mailhol moa fa Jehovah no tokony atahorana fa tsy kandida noho izany tsy manana olana ny tenany. Mikasika ny fampiarahana ny fanaovana pôlitika sy ny fivavahana indray dia nomarihiny fa tena mety tsara izany satria pôlitika ihany koa ny tsy mandainga sy tsy mamita-bahoaka ary tsy mangalatra sy tsy manao kolikoly raha ny mifanohitra amin’izay ny pôlitikan’ny sasany. Ny ady amin’ny fahantrana, ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana ary ny famerenana ny îles éparses moa no tena hampiavaka ny kandida Pastera Mailhol ity farany izay efa nahavoriana sonian’olona mihoatra ny 30.000 isa ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.