Namoaka ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny alarobia 9 mey teo, ny pastera Mailhol mpitarika ny Fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara (FAM). Ao ny andro hanginana, ao ny andro hitenenana, hoy izy.
Raha ny fahitan’izy ireo azy dia mihalalina hatrany ny elanelana misy eo amin’ireo mpifanandrina roa tonta dia ny mpitondra sy ireo solombavambahoaka ho amin’ny fanovana 73 mianadahy. Manahy mafy izy ireo ny mety hisian’ny fifandonana izay mety hiteraka korontana sy ra mandriaka eto amin’ny firenena. Tsy azo ekena intsony anefa izany, hoy ny pastera Mailhol satria efa be loatra ireo ra latsaka teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 1947, 1972, 1991, 2002 ary 2009. Isika hatreto no firenena laharana fahadimy farany mahantra indrindra manerana izao tontolo izao nefa mbola manjaka ny adilahy politika ka tsy hita izay fampandrosoana vanona. Mitondra am-bavaka ny fampihavanana tanterahin’ireo raiamandreny am-panahy FFKM ny FAM sady mankasitraka tanteraka izany ihany koa ary miantso ireo fiangonana zandriny rehetra mba hifampitondra am-bavaka. Eo an-danin’izay, miantso ny mpifanandrina ihany koa izy hifanatona ka hampandefitra ny hambom-pony sy hampanjaka ny fihavanana hahafahana mitady vahaolana ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana. Raha ny fialan’ny filoha am-perinasa no vahaolana dia miangavy ny FFKM ny tenany mba handresy lahatra an’Atoa Hery Rajaonarimampianina hametra-pialana tsy hisian’ny ra mandriaka, hoy izy. Rehefa miziriziry ny filoha dia tokony hiezaka indray ny FFKM handresy lahatra ireo solombavambahoaka hiandry volana vitsy sisa nefa raha sanatria tsy misy tanteraka ireo dia miangavy ny tafika ny tenany handray ny andraikiny. Mahamenatra ny hahatongavan’ny vahiny eto an-tanindrazana indray hamahany ny olana misy eto amintsika. Nomarihin’ny pastera Mailhol moa fa tsy mankasitraka velively ny fanonganam-panjakana ny FAM sy ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara ary tsy mbola nisy nandray anjara tamin’ny fidinana an-dalambe hatramin’izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.