Mandeha ny feo fa hosamborina ny pastera Mailhol, mpitarika ny fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara.
Taorian’ilay fanambarana miezinezina notanterahiny ny faran’ny herinandro teo ka nampahalalany fa tsy hankasitrahany sy ny FAM intsony ny hisian’ny ra latsaka sy ny korontana eto amin’ny firenena no nivoahan’ny feo, araka ny loharanom-baovao voaray. Tsy hitako anefa izay antony hisamborana azy, hoy ny mpitondra teniny satria ny tombontsoa ambonin’ny firenena no katsahiny fa tsy fitadiavan-tseza sanatria. Manaporofo sahady izany fa mikotrika tetika maloto hamelezana ireo kandida mpifaninana aminy ny fitondram-panjakana. Ankoatra ny filoha Ravalomanana mantsy dia anisan’ny tena atahoran’izy ireo ihany koa izy, antony efa nanambatambazany ity raiamandreny am-panahy iray ity vola hatrany amin’ny 5 miliara Ar mba tsy hilatsahany hofidiana. Teo ihany koa ny fanambazany hiaraka aminy saingy tsy nety azony hatramin’ny farany ny pastera Mailhol ka izao miafara amin’ny fielezan’ny feo izao indray fa hosamborina izy. Nanamafy ny tenany fa tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana ihany koa izy sy ireo mpino ao aminy ary ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara antony niantsoany ny Raiamandreny am-panahy FFKM mba hiroso amin’ny fanelanelanana hatrany na omena ny tafika avy hatrany raha sanatria ka tsy hita izay tena vahaolana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.