Politique

Pasitera Mailhol Manindry ny FFKM ?


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Mitady haka ny fon’ireo fiangonana zandriny ny pasitera Mailhol, iray amin’ireo kandida filoham-pirenena.

 

 

 

 Nisy, ohatra, ny fiangonana zandriny nilaza fa manohana azy raha nanao famoriam-bahoaka tao Fianarantsoa ny tenany. Maro tamin’ireny fiangonana ireny no nisintaka avy tamin’ny fiangonan-dehibe efa nisy na ny fiangonana zokiny ary miezaka maneho ny tanjany. Nisy tamin’ireny ny naniry na niezaka niditra tao anatin’ny FFKM, saingy tsy tafiditra noho ny mety fanakatonan-trano angamba. Azo adika ho fanindriana ny FFKM ve ny zava-misy ary vao mainka hahalalina ny elanelana ve ny tahaka izao ? Efa endrika fifandrafiana mibaribary hatramin’izay rahateo ny resaka fiangonana zandriny sy zokiny, izay isehoan’ny fisamatsamahana eto amin’ny tany sy ny firenena. Zary lasa tafiditra aty amin’ny sehatra politika izy ity amin’izao ary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany no toa tadiavina hampiasana ny hambom-po politika eto amin’ny firenena sy hanaovana fifanindriana, raha halalinina. Nilaza ihany koa omaly ny andiana tanora avy amin’ny finoana silamo dia ny Jeunes Musulmans pour le Progres (JMP) fa manohana an’i Pasitera Mailhol amin’io fifidianana io, izany hoe nikipiana ny tsy fitovian-kevitra ara-pinoana ary nampiraisin’ny politika. Tsy natao hanenjehana na iza na iza, fa ny mety tsy fitovian-kevitra ara-pinoana amin’izao no lasa hametrapetrahana ny kajikajy politika. Voararan’ny lalàna ny fampifangaroana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana, indrindra ny resaka fifampidirana ara-bola, saingy tsy mbola misy angamba aloha kandida voagejan’izany hatreto satria samy tsy misy mpitondra fanjakana. Samy manana ny paikadiny tokoa angamba io e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT