Tonga nanatrika sy nanatevin-daharana ny hetsika teny Atsonjombe ny sabotsy lasa teo ireo ben’ny tanàna voafidy manerana an’i Madagasikara. Tonga naneho firaisankina sy fanohanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ireo parlemantera sy ben`ny tanàna manohana ny fitondrana teny amin`ny Lapan`Iavoloha, taorian`ny fihaonambe.
Tena ilaina ny filaminana sy ny fisian’ny fifidianana milamina sy marina eken’ny rehetra. Ilaina ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny safidim-bahoaka maro an’isa. Tsy azo ekena intsony ny fiverenana amin’ireny fakàna fahefana an-keriny ireny, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Nambarany fa tao anatin`ny 50 taona no nahantra ny Malagasy noho ireo krizy politika nifanesy teto amintsika ary tsy ekena intsony ny hiverenan`izany. Nanamafy kosa ireo ben`ny tanàna nandray fitenenana fa hanao mihoatra noho izay efa vita izy ireo any amin`ny faritra iadidiany avy ny tsirairay ny hanohizana ny ezaka natao mba hametrahana ny “Fisandratana 2030”. Ny filohan`ny Antenimierandoholona indray dia nanentana hatrany ny fahavononan`izy ireo hiatrika ny fifidianana ara-demokratika. Maneho fahavononana sy firaisankina izao fihaonana izao, hoy ny filoha, taorian’ireny zava-misy teto amin’ny tany sy ny firenena, ny fanehoana fankahalana miharihary sy fanakorontanana nitranga ireny. Raha zohina, manomana fifidianana sahady kanefa toa mihorohoro fatratra ery ireo olona ao amin`ny fitondrana ka dia manasa ny atidohan`ireo ben`ny tanàna sasany tsy hankasitraka ny hetsiky ny depiote 73.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.