Nilaza ho afa-po amin’ny fomba nanatontosan’ny fanjakana malagasy izay voalazan’ny tondrozotran’ny parlemantera soisa izay nanao fitsidihina tamin’ny fomba ofisialy ny praiminisitra, jeneraly Jean Ravelonarivo teny Mahazoarivo.
Ny alarobia teo no nitsidika ny lehiben’ny governemanta ny parlemantera soisa notarihin’Atoa Heche Claude, filohan’ny Antenimierandoholona any an-toerana. Ny fanohizana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izay efa naharitra 50 taona no tena niompanan’ny dinika ka voaresaka tamin’izany ny fanajan’i Madagasikara ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Andrasan’ny fanjakana soisa ihany koa ny fametrahana ireo andrim-panjakana rehetra voalaza ao anatin’ny tondrozotra, anisan’ireny ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana izay ho filohan’ny faritra ary ny fametrahana ny andrim-panjakan’ny Antenimierandoholona ary ny « haute cour de justice ».
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.