Araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity dia mizara telo ankehitriny ny vondrona parlemantera MAPAR
Voatonony fa anisan’ireo vondrona parlemantera 11 ara-dalàna eny Tsimbazaza ankehitriny ny Mapar I tarihin’ny depiote Razanamahasoa Christine, ny Mapar II mpanaraka an’i Dr Johanita Ndahimananjara ary ny Mapar III miaraka amin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Ho an’ny Mapar I, hoy ny depiote Ramaherijaona Hajanirina Lanto voafidy tany Tsiroanomandidy, dia tsy miova ny foto-kevitra dia ny fiarahana sy fanohanana ny filoha Andry Nirina Rajoelina, ho an’iretsy roa hafa kosa dia taitran-drandram-bao nanaraka ny antokon’ny fitondrana izy ireo nefa ankehitriny dia velon-taraina fa diso famindra fa ailikiliky ny HVM. Misy, araka izany, no efa mitady lalana hiverina ao an-trano, ka hodinihana tsara ny amin’izy ireo. Nomarihan’ny depiote Ramaherijaona fa efa eo an-dalam-pamolavolana ny hanilihana ireo depiote MAPAR nisintaka ny vondrona nahalany azy izahay, araka ny voalazan’ny lalàna saingy nambaran’Atoa Andry Rajoelina fa aleo aloha miala nenina farany ihany amin’ireo ondry nania vao hirosoana ity hetsika ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.