Politique

Parlemantera HVM Maika amin’ny fifidianana


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Miaro mafy ny filoham-pirenena ireo vondron’ny parlemantera HVM ary manizingizina fa fifidianana ihany no vahaolana amin’izao krizy izao;

fanonganam-panjakana no atao eny amin’ny kianjan’ny 13 mey hoy izy ireo nandritra ny fanazavan-kevitra natao omaly teny amin’ny hotely Carlton Anosy.Tsy mitombina amin’ireto parlemantera HVM ireto ny fitoriana napetrak’ireo depiote ho an’ny fanovana eny amin’ny HCC momba ny fangatahana fanesorana ny filoha.Tsy voaresaka ny hoe fampihavanam-pirenena na dia milaza ny vonona hifampiresaka aza izy ireo, fa dia manesika hatrany ny hanaovana fifidianana na dia mibaribary be aza ny tsy fisian’ny fitoniana ankehitriny.Mampiahiahy ny fomba firesaka fa toa teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny firosoana amin’ny fifidianana ary tsapa fa vahaolana “tip top” na kimaimaika, no tadiavin’ny mpomba ny fitondrana hamahana ny krizy. Mbola nanamafy ny fahavononan`ny antoko HVM amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena ny Filoha Nasionaliny, Rivo Rakotovao, izay anisan’ny nanatrika ny fanazavan-kevitra  tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT