Politique

Parlemantera Frankofona Niavaka i Madagasikara tany Dakar


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana azy ao amin’ny Antenimieram-pirenena malagasy no niarahan’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas tamin’ny filohan’ny Antenimiera Rakotomamonjy Jean Max nisolotena an’i Madagasikara tany amin’ny fivoriamben’ny Parlemantera miteny sy mampiasa ny teny frantsay natao tany Dakar Sénégal ny 7 ka hatramin’ny 9 aprily teo.

Nanao ny tatitry ny dian’izy ireo omaly ny depiote Nicolas ka nilaza fa  hiroso bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny ady amin’ny asa fampihorohoroana any amin’ny fireneny tsirairay avy ny mpikambana ao amin’ny fivondronamben’ny parlemanteran’ny tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay, araka ny tatitra nataon’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, omaly, fa ny fandraisam-pitenenana nataony tany Dakar dia nahafahany nampahafantatra ny mpivory ny zava-misy aty Madagasikara, ny sakana eo amin’ny fitandroana ny fahalemana aty amintsika noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa. Manahirana ny mpitandro ny filaminana eo amin’ny fanatanterahana ny asany, hoy izy, ny fiarahan’izy ireo mipetraka amin’ny vahoaka aty ivelan’ny toby misy azy. Heverin’ity depiote ity fa mbola hoentiny hanairana ny tompon’andraikitra malagasy ny mikasika io olana io amin’ny tafatafan’ny govenemanta sy ny solombavambahoaka malagasy manaraka. Tokony ho filamatra amin’ny lafiny fandriampahalemana aty Afrika i Madagasikara, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena senegale, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriambe notarihany, hoy ny tatitra nataon’ny depiote Nicolas tamin’ny mpanao gazety ihany. Noderain’ny mpandahateny ny fahendrena malagasy sy ny fahazavan-tsaina nentin’ny fahalalana ananan’ny mponina mihoatra ny any Afrika, hoy izy. Manaitra ny hambom-po malagasy ihany izany filazana izany, hoy ny depiote Nicolas, ka tokony ho eritreretina ny fanatanterahana azy. Nanaiky ny fangatahan’ny mpivory ny handraisan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny Parlemanteran’ny frankofonia maneran-tany moa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max, hoy ny mpiara-dia taminy. Hatomboka eto an-drenivohitra anio kosa ny dinika fanomanana ny fiatrehana ny fivoriam-paritra aty Afrika, hatao any Côte d’Ivoire amin’ny volana mey.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT