Politique

Parlemanta Hisy fifidianana depiote amin’ny 2016 ?


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Ny nisokafan’ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana ny fananganana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hirosoana amin’ny fifidianana Loholona alohan’ny faran’ny taona 2015 no ela dia tonga any amin’ny mety hisian’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana ihany koa izao ny resaka.

 

 Araka ny loharanom-baovao samihafa dia izay no tao ambadiky ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamina andian’olona vitsivitsy tany Ambohidratrimo tany nialoha ny hihazoany an’i New York Etazonia. Voaresaka tamin’izay ny hanafainganana ny fifidianana Loholona, izay raha tarafina tamin’iny vokatry ny fifidianana kaominaly tamin’ny 31 jolay 2015 iny dia hahazo ny maro an’isa ao amin’ny lapa Maitso Anosikely ny HVM, ny filoha rahateo no hanendry ny ampahatelon’ny Senatera. Tranga mety hiseho aorian’izay ny fandravana ny Antenimieram-pirenena ary dia hanao fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana amin’ny 2016. Mbola ireo loharanom-baovao ireo ihany koa no milaza fa mety harangarangan’ny HVM eo an-tampon-dohan’ny depiote io mety handravana ny Antenimieram-pirenena io mba hanamorana ny fandaniana ireo volavolan-dalàna tian’ny mpanatanteraka haroso eny Tsimbazaza eny.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT