Politique

«Parking» voafefy etsy Antsahatsiroa Miangona any amin’ny kaominina CUA ny rihatra


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Nitondra ny fanazavana tamin’ny antsipirihany ny zava-misy hatrany am-piandohana mikasika an’ilay “Parking” eny Ambohitsiroa efa nohajarian’ny fokonolona nefa nisy namefy tafo fanitso ny manodidina teny an-toerana omaly ary natrehan’ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany faharoa, ny depiote Rastany, ry zareo ao amin’ny fikambanan’ny mpiara-monina eny an-toerana na “Association des riverains” notarihan-dRtoa filohany izay sady misolontena ny kristianina avy ao amin’ny fiangonana tranovato Ambonin’Ampamarinana koa

. Voalaza teny an-toerana ary fa efa tany amin’ny taona 1987 dia efa nisy fanakanana tamin’ny alalan’ny “droit de préomption”  ny tsy hivarotana ny anjara ampahantany Villa Marthe René ao anatin’io “parking” voafefy ankehitriny io nataon’Atoa René sy Rtoa Lydia samy mpandova ny tany. Ka ilay tany “parking” etsy Ambohitsiroa” taty aoriana dia nanana mpandova maro satria nisy 7 ny zanak’Itompokolahy René, 7 ihany koa ny zanak’Itompokovavy Marthe ary nisy ihany koa ampahan-tany izay an’ny kaominina CUA ary nisy “terrain domanial” natao lalana.

Famefena nisy mpanohana foana

Raha nisy faniriana ny hanefy ity toerana ity tany aloha tany dia nisy mihitsy didy avy amin’ny fitsarana nampihato an’izay fa taty amin’ny andron’ny tetezamita ny taona 2009 indray no nanomboka nisy nanetsika ny hoe misy tompony hafa ka hampiasa ny taniny ity “parking” Ambohitsiroa ity. Nifanesy ny fanohanan’ny mponina ny famefena ity toerana ity nanomboka teo ary efa fanohanana fanin-5 ity ataonay ankehitriny ity. Izahay izany eto dia tena miteny fa tsy miady amin’izay milaza fa tompon’ny ampahantany tafiditra amin’ity Parking ity izahay mpiara-monina fa nangataka  ny zon’ny olona teto izahay mba amahana ny vahadin’ilay fefy amoahan’izy ireo fiara 14 voahidy tao ka nambaran’ilay nanidy fa halefa “fourrière”. Mbola takianay ny hampanjariana ny ity toerana ity ho vakoka nasionaly fa misy dobon’andriana efa voavoatran’ny fokonolona ara-dalàna ao, misy ny lalana Randzavola ary fandalovana amin’ny lalan-dRasalama maritiora koa. Mitaky ny antontan-taratasy navoakan’ny kaominina CUA izahay ny amin’ny fanomezan-dalana hamefy ity toerana ity izay tsy nasiana peta-drindrina tany amin’ny fokontany akory. Mampalahelo ny zava-misy, hoy ny depiote Rastany, ka miangavy ny ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ankehitriny hitondra fanazavana mazava mahakasika ity raharaha ity ary hanome baiko ihany koa handrava ny ampaham-pefy tsy mipetraka amin’ny tokony asiana azy.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT